♦ Mitohy hatramin'ny faran'ny volana mey izao ny fanoratan'ny olom-pirenena ny anarany anatin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Miantso an'ireo izay mbola tsy nahavita izany ny CENI mba hanatona ny eny anivon'ny Fokontany misy azy... ♦ Miandrandra fifidianana madio sy milamina ny olom-pirenena hoy ny KMFCnoe. Miantso ny mpiasam-panjakàna tsy hiandany amin'ny kandidà mirotsaka amin'ny fifidianana izy ireo... ♦ Naneho ny ahiahiny manoloana ny toe-java-misy ankehitriny amin'ny mety ho sakana amin'ny fahalalahana maneho hevitra ireo mpanao gazety nifanakalo traik'efa tamin'ny Sampana Anarahamaso ny Fifidianana Safidy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...