♦ Naneho ny heviny momba ilay didy navoakan'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakàna ao Fianarantsoa momba ny fitoriana napetrak'izy ireo ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Mbola hisy ny dingana manaraka ho atao hoy ny MMM fa tsy hitsahatra hatreo akory ity raharaha ity... ♦ Tsara ny voka-bary eto Madagasikara tamin'ity taona ity hoy ny filohan'ny tranoben'ny tantsaha mpamokatra nasiônaly. Isan'ny nahatonga izany hoy Ramatoa Razafimbololona Angeline ny fampian'ny rotsak'orana... ♦ Tanterahana eny amin'ny kianjan'i Barea Mahamasina hatramin'ny rahampitso alahady ny hay ranty momba ny fitaterana sy ny fitaovana manodidina azy. Tanjona ny hampihena ny lozam-pifamoivoizana amin'ny seha-pitanterana rehetra eto amintsika...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...