♦ Voaantso hatao fanadihadiana eo anivon'ny Inspection Générale de l'État, ny Filohan'ny HCDDED teo aloha, Navony Pierre Le Noble... ♦ Nampidirina am-ponja ny olona dimy tamin'ireo valo voarohirohy tamin'ilay fahaverezana vola maherin'ny 388 tapitrisa Ariary, tao amin'ny Trésor tao Ambalavao, Faritra Matsiatra Ambony... ♦ Tsy nahafa-po ny fari-pahaizan'ireo mpianatra tamin'ireo sekoly nampiharana ilay teti-pivoaran'ny fanabeazana na ny PSE, tao anatin'ny efa-taona. Misy ny atrikasa hanaovana jery todika ny fampiharana izany, eo amin'ny lafiny teknika sy ara-bola...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...