♦ Ho fampahafantarana ny olom-pirenena ny lalàna sy ny zony, hiadiana amin'ny fanaovana kolikoly dia atomboka anio eny Talatan'i Volonondrry ny hetsika "Fiara Zo" na ny "Caravane de Droit"... ♦ Mbola mahatratra hatrany amin'ny 30% ny olona tratry ny tazomoka any atsimo atsinanana, taha ambony indrindra eto Madagasikara. Any Farafangana noho izany no hanamarihana ny andro eran-tany hiadiana amin'ny tazomoka, amin'ny 9 jona izao... ♦ 2 tapitrisa ny kara-tany ho zarain'ny Fanjakàna hatramin'ny volana desambra. Ny 561.039 no efa voazara tamin'ny alalan'ny tetik'asa CASEF. Andro fahatelo amin'ny heriandro ho an'ny kara-tany ny anio...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...