♦ Manambana hanao fitokonam-be ireo mpamily fiara vaventy mpitatitr'entana amin'ny lalam-pirenena faharoa mankany Toamasina, noho ny mbola faharatsian-dalana. Fiarabe 10 no efa nivadika tao Mandraka tao anatin'ny roa volana, vokatr'izany... ♦ Olona 5000 isa eo ho eo, avy aminà fianakaviana 1000 isa, no tratry ny kere any amin'ny Distrikan'i Vangaindrano amin'izao. Mbola tsy voamarina hatramin'izao ny fisian'ny olona matin'izany hanoanana izany hoy ny eo anivon'ny BNGRC... ♦ Mirongatra amin'ny toerana samihafa eto Antananarivo sy ny manodidina ny tsy fandriam-pahalemana amin'izao. Nirefodrefotra omaly teny amin'ny 67Ha atsimo, jiolahy iray nirongo basy notifirin'ny Pôlisy tamin'ny andro antoandro...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...