♦ Nankalaza ny fetin'ny famindram-pon'Andriamanitra ny Eglizy maneran-tany omaly alahady. Niavaka ny fankalazana ho an'i Madagasikara. Natsangana ao amin'ny diôsezin'i Port Berger ny sanctuairen'ny famindram-pon'Andriamanitra voalohany eto amintsika... ♦ NItokana zava-bita maro tao amin'ny Faritra Amoron'i Mania ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ny faran'ny herinandro teo. Parlemantera, solombavambahoaka sy loholona voafidy tamin'ny anaran'ny IRD, ministra maro ao amin'ny governemanta no nanotrona azy tao Ambositra... ♦ Mampiantrano ny fiadiana ny tompon-dakan'i Madagasikara ho an'ny taranja Basket-ball, diviziona voalohany, lahy sy vavy i Antsirabe...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...