♦ Hambara amin'ny fomban'ny Fiangonana ho sanctuaire-n'ny famindram-pon'Andriamanitra ny Paroasy fahatelo any amin'ny Diôsezin'i Port Berger. Misy ny fandaharam-potoana tsara ho fantatra momba izany... ♦ Efa voarafitra ny volavolan-dalàna vaovao mifehy ny harena an-kibon'ny tany, ka hatolotra eo anivon'ny Antenimiera mpanao lalàna amin'ny volana mey izao. Maro ireo fanovàna nentina ao anatin'izany, raha ny fanazavàn'ny Ministry ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Vola mitentina 250 tapitrisa dôlara no ho enti-manana amin'ilay fandaharan'asa haratonaina ho an'ny fiahiana ara-tsôsialy na ny FSS. Hahazo 120.000Ariary ireo tokantrano marefo misitraka ireo tetik'asa samihafa ao anatin'izany...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...