♦ Tsy mbola midina mihitsy ny vidin'ny vary vokarina eto an-toerana, na dia efa ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fararano aza isika. Misy tafakatra hatramin'ny 4.100 Ariary ohatra ny kilaon'ny vary mena sy ny makalioka eto Antananarivo... ♦ Hanohana antsika amin'ny tetik'asa hanatsaràna ny fomba fiasa eo anivon'ny fadintseranana i Korea-atsimo, hanafainganana ny famoahana entana. Vola maherin'ny 5 tapitrisa dôlara no enti-manana amin'izany... ♦ Mitombo ny isan'ireo vehivavy voan'ny homamiadan'ny vozon'ny tranon-jaza eto Madagasikara. Miisa 44 isaky ny 100.000 no tratran'izany, noho ny tsy fanaovana fitiliana, hoy ny fikambanana tsy miankina "Douleur sans frontière"...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...