♦ Ho tanterahina amin'ny taona ho avy ny fihaonambem-paritra hiarahan'ireo Faritra 23 eto Madagasikara sy ireo Faritra ary departemantan'ny Frantsay miisa 10... ♦ Manodidina ny 777 miliara Ariary ny vola very, tokony niditra tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, tamin'ny fivarotana volamena tany ivelany, teo anelanelan'ny 2018-2021... ♦ Saron'ny mpiasan'ny fadin-tseranana, afakomaly tany Toliary ny basy miisa 10 sy bala maro, voalaza ho tsy ara-dalàna, tany amin'ny seranam-piaramanidina Toliary ; efa mandeha ny fanadihadiana...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...