♦Nasiam-panovàna ny dingana arahina amin'ny fanatanterahana ny fampiasana ny teti-bolam-panjakàna, araka ny toromarika nomen'ny Filohan'ny Repoblika, nandritra ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Mandeha ny feo ankehitriny amin'ny mety hanoloana ho PDS ny ben'ny tanàna ao Fianarantsoa. Tsy miombon-kevitra amin'izany ny solombavambahoaka Seth Rajoelina... ♦ Mpandraharaha ny fonja miisa 03 sy voafonja miisa 03 no nampidirina am-ponja vonjy maika tamin'ilay fahaverezam-basy tao Vavantenina... ♦ Hamangy fonja iray fitaizana sy fanarenana ny tsy ampy taona ao amin'ny tanàna kely any Rome, anio hariva, ny Papa François...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...