♦ Ny mpanohitra no tena tiana ho kendrena amin'ilay fanambaran'ny Minisitry ny Atitany, tsy afahana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana intsony, hoy ny antoko Vahoaka Miray. Nambaran'ny VAMI fa manitsaka ny Lalam-panorenana sy ny lalàna velona, iny fanambarana iny... ♦ Handrotsaka ampaham-bola hamatsiana ny IETI ny fitondrana malagasy. Tanjona ny hirosoana tsikelikely ho mpikamban'ny IETI iraisam-pirenena, hisian'ny mangarahara amin'ny sehatry ny fitrandrahana harena ankibon'ny tany... ♦ Misaona ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena. Nodimandry tampoka omaly i Liva Andriamananjara. 34 taona monja izy, izao nondaosin'ny fahafatesana izao...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...