♦ Mitaky ny hanaovana "audit" ao amin'ny CENI ny FMI-Malagasy. Tokony mitondra fanazavàna antsipirihany momba ny hampiasàna ilay teti-bola 145 miliara Ariary hikarakaràna fifidianana ity Vaomiera ity, hoy Andriamatoa Jean Jacques Ratsietison... ♦ Mangata-bavaka amin'ny rehetra ny FFKM hampahomby ireo dingana samihafa ataony, manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Hizara telo izany dingana izany, izay hosantarina eny Ilafy amin'ity herinandro ity... ♦ Miantso vonjy maika amin'ny fitondram-panjakàna ny fikambanan'ireo mpitatitra entana amin'ny fiara vaventy. Marary ity seha-pihariana ity eto Madagasikara, ka mila hitadiavana vahaolana, hoy izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...