♦ Nivoaka ny efitrano fivoriana teny amin'ny foiben'ny CENI teny Alarobia androany, ireo mpanao pôlitika mpanohitra, tao aorian'ny fanambarana natony. Milaza ny tsy handray anjara amin'ny fampihaonana ataon'ny CENI amin'ny zoma, izy ireo... ♦ Tsy nanakana ny dinika niarahan'ny CENI tamin'ireo antoko pôlitika sy ny fiarahamonim-pirenena, nanoina ny antsony, ny fisitahan'ireo mpanohitra... ♦ Tsy voatana ny datin'ny fifaninanana handraisana mpandraharahan'ny fonja, izay tokony hatao manomboka ny zoma izao. Ho fantatra tsy ho ela kosa ny daty hanatanterahana izany, hoy ny tompon'andraikitra...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...