♦ Ny fakàn-kevitra isam-paritra no tokony hiaigana hanatsarana ny zotram-pifidianana hoy ny KMF/Cnoe. Nambarany ihany fa tsy tokony ny FFKM no hitarika ny fakàn-kevitra momba ny fanomanana ny fifidianana... ♦ Tsy hitsirika ny antotam-baovao ao amin'ny CENI momba ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, araka ny antso nataon'ny filohany, ny vondrona Panorama. Ny firafitry ny CENI mihitsy no mila hatsaraina, hoy izy ireo... ♦ Efa niharan'ny fanararaotana mamoafady avokoa ny 47% amin'ny ankizy mampiasa "Internet" nanaovan'ny ECPATE France fanadihadiana. Mahazo vahana ihany koa ny fisolokiana amin'ny tambazotran-tserasera amin'izao, hoy ihany ity fikambanana ity...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...