♦ Ny fehin-kevitry ny fihaonambem-pirenena izay hotarihin'ny FFKM no tokony hamaritra ny ho avy pôlitikan'i Madagasikara amin'ity taona ity, hoy ny vondrona pôlitika HIFFIM. Fifiadianana tsy mampiady no tokony hisy manaraka eo, hoy izy ireo... ♦ Nihaona tamin'ny Ministra mpiahy ireo mpianatra mpitarika fikambanana eny amin'ny Polytechnique Vontovorona. Nanarina ireo mpianatra hitandro ny maha-izy azy, nanoloana ilay raharaha niafara tamin'ny fanakatonana ny toeram-pianarana farany teo... ♦ Vinavinaina hiverina an-dranomasina indray ny sisan-drahona miaraka amin'ilay rivo-doza Freddy. Arahi-maso ny fivoarany satria hanome vahana ny oram-baratra manerana ny nosy ny rivotra ho entin'ny Varatraza avy any avaratra...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...