♦ Nakotrokotroka androany ny fanamarihana ny Andro eran-tany ho an'ny Vehivavy. Teny Mahamasina ny ivon'ny fanamarihana nasiônaly, niarahana tamin'ny vadin'ny Filoham-pirenena... ♦ Voasakana kosa ny hetsiky ny Vehivavy TIM, izay saika hanamarika ny Andro maneran-tany ho an'ny Zon'ny Vehivavy, teny amin'ny Magro Behoririka, androany... ♦ Nahazo rariny teny amin'ny Filankevi-panjakana ireo mpampianatra, momba ilay raharaha tany Alakamisy Itenina. Nolavin'ny Fitsarana ny fangatahana fampiatoana sazy ireo mpianatra tsy nanaja ny fitsipiky ny sekoly sy tsy mety mihira ny Hiram-pirenena...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...