♦ Nifarana tamin'ny fomba ôfisialy omaly tao Addisa Abeba Ethiopie ny Sinaody Eglizy Miaradia dingana Kaontinantaly, ho an'i Afrika sy i Madagasikara... ♦ Any amin'ny 50 km atsimo somary atsimo-andrefan'i Toliara no nisy ilay rivo-doza Freddy tamin'ny 3 ora sy sasany maraina teo... ♦ Tratry ny lozam-pifamoivoizana ireo tanora avy ao Fianarantsoa avy nanatanteraka fambolen-kazo tany Talata-Ampano. Vokany, iray namoy ny ainy ary miisa 16 ireo notsaboina tao amin'ny Hopitaly Be Fianarantsoa... ♦ Alahelo nivadika hatezerana ary tonga hatrany amin'ny herisetra no nitranga tany Grèce, vokatr'ilay lozam-piaran-dalamby...

[Miara-dàlana] Zoma 29 nôvambra 2024

  • Miomana amin'ny fandraisana ny Eveka vaovao, Mgr Marcellin Randriamamonjy, ny Diôsezin'i Farafangana...
  • Nanatanteraka fihaonambe fanao isan-taona nandritra ny hateloana, ny Vaomiera misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe...
  • Torio an-kafaliana ny Evanjely, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony nandritra ny Audience générale, ny alarobia 27 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...