♦ Mbola tsy levona ilay rivodoza Freddy. Tombanana hiverina ao amin'ny Lakandranon'i Môzambika ny andian-drahona miaraka aminy, ka mety hitondra orana betsaka any amin'ny andrefana sy atsimo andrefan'ny nosy... ♦ Hitombo avo roa heny ny famokarana herinaratra eto Madagasikara amin'ny taona 2028, amin'ny alalan'ny tetikasa PRIRTEM-2. Hahatratra 70% ny taham-pahazoan'ny Malagasy herinaratra, vokatr'izany... ♦ Mpiasan'ny fahasalamana an-jatony no hiasa sy hanome tolotra ara-pahasalamana eto Antananarivo, ao anatin'ilay tetikasa "Caravane médicale"...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...