♦ Ny Praiministra no mpanome baiko misakana ireo antoko pôlitika tsy hanao hetsika fanentànana hisoratra anaty lisi-pifidianana, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Kabary nataony izany nandritry ny hetsiky ny Tim Distrikan'Atsimondrano ny sabotsy teo... ♦ Tsy hanaiky hatramin'ny farany hanokafana ny orinasa Base Toliara ny fikambanana Masikoro Arivolahy. Tsy mankasitraka izany ny mponina eny ifotony, hoy izy ireo, rehefa novoriana ireo avy amin'ny Fokontany18, voakasiky ny ftrandrahana... ♦ Voasambotry ny pôlisy ny olona miisa 03, nahavanona ilay fakàna an-keriny sy famonoana zazakely 9 taona, hita faty teny Tanjombato. Nitarika ny famonoana ilay zaza ny vola naloan'nyy fianakaviany, izay tsy nahafa-po azy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...