♦ Heverina hivoaka any amin'ny lakan-dranon'i Môzambika anio tolak'andro ny rivo-doza Freddy. Foana avokoa ny loza mitatao sy ny loza manambana, ary ny fanairana fa filazana fahamailoana sisa... ♦ Hoy ny CENI : tsy miankina amin'ny CENI irery ny fahafahana miroso amin'ny fifidianana kaominaly, manoloana ny antson'ny mpanao pôlitika sasany, ny amin'ny tokony hamoahana tetiandro amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna... ♦ Mandeha araka ny tokony ho izy ny fanadihadiana ara-tontolo iainana amin'ny tetikasa lalam-be migodana, mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, ka miankina amin'ny valin'izany no hanomezan'ny ONE valin-teny amin'ny fizotry ny asa... ♦ Miverina mianatra rahampitso ny mpianatra eto amin'ny Faritra Analamanga...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...