♦ Miha-manakaiky ny morontsirak'ireo firenena aty amin'ny Ranomasimbe Indiana ilay rivo-doza Freddy. Mbola voatàna hatrany ny filazana loza fanairana na loko maitso ho an'ireo faritra amin'ny morontsiraka atsinanan'i Madagasikara... ♦ Governemanta tsy mitanila, hanomana fifidianana no takiana, raha hisy ny fanovàna izany hoy ny antoko MFM, izay no hampisy fifidianana madio sy mangarahara ary eken'ny rehetra... ♦ Tataovan-doza noho ny kolikoly ny hazo sarobidy eto amintsika. Faritra hisian'ny fitrandrahana tsy ara-dalàna betsaka indrindra ny any Menabe, raha ny fanadihadiana nataon'ny Transparency International Initiative Madagascar...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...