♦ Araha-maso akaiky amin'ny herinandro ho avy ny fivoaran'ilay rivo-doza FREDDY atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Raha ny vinavinan'ny lalany araka ny sary avy amin'ny zana-bolana dia ahiana ny ahavoakasika ny morotsiraka avaratra atsinanana sy atsinanan'ny nosy... ♦ Ahitana andiam-balala any amin'ny Faritr'i Ihorombe. Manambana ihany koa ny any amin'ny Faritr'i Menabe, Vakinakaratra ary Bongolava. Misy ny asa maika tsy maintsy atao. Tombanana hatrany amin'ny 400.000Ha ny velaran-tany ho voafendraka fanafody... ♦ Tsy maintsy manaja ny lalàna misy eto amin'ny firenena ireo mpianatra sy mpampianatra manoloana ny zava-misy tany amin'ny Faritra Matsiatra-Ambony hoy ny tompon'andraikitra...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...