♦ Mbola mihatra hatramin'izao ny tsy fahafahana manondrana sy mikitika ireo andramena nogiazana eto Madagasikara. Isan'ireo hazo voageja azo ampiasaina kosa ny palissandre... ♦ Tombanana hitatitra entana hatrany amin'ny 1000 Taonina isan-taona ny lalam-by mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, ao aorian'ny fahavitany... ♦ Sazy mihatra 30 volana an-tranomaizina miampy lamandy 2 tapitrisa Ariary no nomen'ny Fitsarana an'Andriamatoa Harry Laurent Rahajason. Nahazo sazy mihantona herintaona an-tranomaizina sy lamandy 1 tapitrisa Ariary kosa Ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...