♦ Mandalo krizy ankehitriny ny tontolon'ny lavanila eto Madagasikara. Araha-maso akaiky ny fanondranana lavanila, hisorohana ny hosoka sy ny fanararaotana samihafa, hoy ny Minisitra Egard Razafindravahy... ♦ Nifampidinika hanohizana ny famatsiam-bola ny tetikasa Tatom, drafi-panajariana an-tanan-dehibe, ho an'Antananarivo sy Toamasina, ny mpiara-miombona antoka ara-teknika sy ara-bola... ♦ 14 febroary, andron'ny mpifankatia: Tamin'ny alalan'ny fanomezan-dra no nanamarihan'ny AFT eny Andavamamba izany. Famelabelarana momba ny lohahevitra : "Mahay mitia ve ?" no nentin'ny CDA Andohatapenaka nankalazana izany...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...