♦ Tsy hanaiky sy tsy handefitra amin'ny asa fanakorontanana eto amin'ny firenena, ary handray andraikitra manandrify amin'izany ny Foloalindahy Malagasy, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard... ♦ Nankatoavin'ny Governemanta malagasy ny fangatahan'ny CENI amin'ny hanalavana ny fe-potoana hanavaozna tanteraka ny lisitry ny mpifidy... ♦ Niroso tamin'ny fametrahana ireo saina mena mamaritra ny maha faritra tandindonin-doza ny eny amin'ny vohitr'i Manjakamiadana androany, ny BNGRC. Miisa 1540 ireo trano tafiditra amin'izany...

[Miara-dàlana] Zoma 24 oktobra 2025

• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...