♦ Samy mitsipaka ny fanonganana ny birao maharitra eny amin'ny Antenimeram-pirenena ny solombavambahoakan'i Sakaraha Razakandrainy Dominique sy ny solombavambahoakan'i Tsiroanomandidy Ramaherijaona Hajaniriana... ♦ Niditra Hopitaly indray i Sedera kely, ilay ankizilahy 13 taona notifirin'ny dahalo tany Ambohijafy-Toamasina. Tsy azo atao intsony ny fandidiana azy hoy ny lehiben'ny Hopitaly Ravoahangy Andrianavalona Ampefiloha... ♦ Mitaky amin'ny fanjakàna handoavana ny anjara vola tamberimbidy avy amin'ny tetik'asa Ambatovy ireo Ben'ny Tanàna voakasik'izany. Misy akony ratsy amin'ny fampandehanana ny Kaominina ny fampihatoana hoy izy ireo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...