♦ Nisongadina tamin'ny fanontaniana napetrak'ireo Malagasy monina any Etazonia tamin'ny Filoha malagasy, ny olana amin'ny famatsiana herinaratra aty Madagasikara, ny olana mbola tsy ahazoan'ny any atsimo misitraka rano, ary ny zava-misy ara-pôlitika aty Madagasikara... ♦ Famafazana lainga sy fandrebirebena saim-bahoaka ny nambaran'ny Solombavam-bahoaka iray milaza, fa tsy ara-dalana ny dingana rehetra natao, nanomezana ny tolo-bidy ho an'ny orinasa ejipsiana manao ny lalam-be migodana mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina, raha ny fanazavan'ny Minisitry ny Asa Vaventy...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...