♦ Mandrisika ny fanetsehana ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny fanatanterahana ny PEM ny Banky Iraisam-pirenena. Nisongadina izany omaly tamin'ny dinik'asa niarahana tamin'ny Filoha lefiny, izay mamita iraka eto Madagasikara... ♦ Mandrahona ny hanamafy ny fitokonany ireo mpiasan'ny Antenieran-doholona tsy nandray karama volana nôvambra. Nibodo ireo efitrano fivoriana roa eny amin'ny Lapan'Anosikely izy ireo omaly... ♦ Miakatra ny isan'ireo olona voan'ny Covid-19 sy tratry ny tazo mahery eto amintsika, raha ny filazan'ireo mpitsabo. Tsy tokony hampitebiteby be ity aretina ity, fa manomboka manana hery fiarovana ny rehetra, hoy izy ireo...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...