♦ Ny tapaky ny volana janoary 2023 no hohamasinina ho eveka i Mgr Donatien Randriamalala, izay voatendry ho evekan'Ambanja... ♦ Tale 32 teo anivon'ny Jirama no nohadihadiana teny amin'ny Tendrim-pitsarana Miady amin'ny Kolikoly eny amin'ny 67Ha. Nohenoina tsirairay izy ireo, ho tohin'ilay raharaha fitoriana napetraky ny firaisam-ben'ny Sendikan'ny mpiasa teny amin'ny Bianco... ♦ Mitaky ny mbola tsy handaniana, ilay tolo-dalana momba ny fanavaozana ny rafi-panabeazana, eny Tsimbazaza, ny firaisan-kinan'ireo sekoly tsy miankina amin'ny finoana...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...