♦ Lohahevitra miisa efatra (4) no nifantohan'ny fehin-kevitra tamin'ny fivoriana ara-potoanan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana na ny Justice et Paix... ♦ Lany tsy nasiam-panovàna teny amin'ny Antenimeraram-pirenena ny volavolan-dalàna hifehy ny teti-bolam-panjakàna taona 2023. Ora dimy monja ny dinika sy ny ady hevitr'ireo solombavambahoaka miisa 95, nandaniana izany omaly... ♦ Tale ambony miisa 14 amin'ireo 48 isa nandalo tombana teo anivon'ny Jirama no noesorin'ny filan-kevi-pitantanana tamin'ny toerany. Tsy maintsy handalo "entretien" ny tale jeneraly, izay tsy mbola niverina niasa hatramin'izao...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...