♦ Nampanantsoina teny amin'ny Pôlisy misahana ny raharaha ara-toekarena androany, ny Talen'ny Transparency International eto Madagasikara. Fampiantsoana namotoran'ny Pôlisy azy, tao aorian'ny fitoriana napetraky ny vondron'ireo mpandraharaha manondrana letsisia, na ny GEL... ♦ Nitsangana ny HIFFIM, Hetsika Iombonana ho an'ny Fanarenana sy Fanorenana Ifotony an'i Madagasikara. Miantso ny Malagasy hifanome tanana ao anatin'izao fahasahiranana izao, ireo mpikambana, androany...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...