♦ Hiatrika ny fivoriambe ara-potoana fanaony ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara anio sy rahampitso... ♦ Nanomboka nandinika ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2023 androany tolak'andro ny vaomiera manokana misahana izany teny amin'ny antenimieram-pirenena, taorian'ny fanolorana sy fanazavana mikasika azy io, nataon'ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola... ♦ Misy ny atrik'asa hiarahan'ny Madagasikara sy ny ONU, hamaritana ny drafitr'asa iadiana amin'ireo karazana fitaovam-piadiana nokelary, biolojika ary simika...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...