♦ Olona 36 isa no maty vokatry ny fitsaram-bahoaka tany amin'ny Faritra Vatovavy tato anatin'ny enin-taona, tany Ikongo avokoa ny 26 tamin'ireo. Mitsangana ankehitriny ny vaomiera manokana eny amin'ny antenimieram-pirenena, hanadihady ilay tranga nahafaty olona am-polony tany Ikongo farany teo... ♦ Tsy maintsy hamafisina ny fizakantenan'ireo kaominina sy Faritra eto Madagasikara, na eo amin'ny lafiny ara-bola, na amin'ny resaka fitantanana, hoy ny ministra ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana... ♦ Tsy manara-drafitra na secteur informel avokoa ny 95%-ny asa eto Madagasikara. Ezahina hitarina amin'ireo sehatr'asa ireo noho izany ny fiahiana ara-tsôsialy...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...