Notendren'ny Papa François androany, ho Evekan'ny Diôsezin'Ambanja, i Mompera Donatien Francis Randriamalala, pretra avy amin'ny fikambanana Missionnaires de Notre-Dame de La Salette.

Teraka ny 6 janoary 1970, tao Antsirabe i Mgr Donatien. Tamin'ny taona 1992 izy no niditra tao amin'ny fikambanana Missionnaires de Notre-Dame de La Salette, rehefa avy nanaraka ny lalam-piofanana momba ny Lalana tao amin'ny Université Catholique de Madagascar. Nanohy ny fiofanana fandalinana ny filôzôfia, tao amin'ny Seminera Zokiny Masindahy Paoly Apôstôly ao Antsirabe, nanomboka ny taona 1995. Nandalina ny teôlôjia tao amin'ny Seminera Zokiny Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, ao Faliarivo Antananarivo, nanomboka ny taona 2000.

Nohamasinina ho pretra izy 19 aogositra 2003, ary voatendry hiandraikitra ny Distrika Misiônera Avaradarano, tao amin'ny Diôsezin'i Morondava, hatramin'ny taona 2006. Nanohy ny fianarana tany amin'ny Université Pontificale Salésienne ao Rôma, ka nahazo ny mari-pahaizana Licence momba ny pastôralin'ny tanora, ny taona 2010. Voatendry ho Vikera Jeneralin'ny Diôsezin'i Morondava tamin'ny taona 2010, sady Curé tao amin'ny Parosasy Notre-Dame de La Salette, hatramin'izao 11 nôvambra 2022, nanendren'ny Papa François azy ho Evekan'Ambanja izao.

Miarahaba ny Diôsezin'Ambanja, nahazo mpiandry ondry ny Ekipan'ny Radio Don Bosco, ary mirary soa ho an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala, hahatontosa ny iraka ankinin'Andriamanitra sy ankinin'ny Eglizy aminy.

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...