♦ Nihaona tamin'ny sendikan'ny mpiasa ny tompon'andraikitra tao amin'ny CENI. Nanambara àry ny Sekretera jeneralin'ny randrana Sendikaly Rakotomanga Barrison fa vonona hanentana ny orinasa sy ny mpiasa ao aminy amin'ny fisoratana anarana anaty lisi-pifidianana ny sendika... ♦ Manamafy ny Vondron'ny kaoperativa-pitanterana miasa ao an-drenivohitra na ny UCTU fa tsy manara-dalana ny taxi-moto. Gaboraraka tanteraka hoy izy ireo ny fitanterana ao an-drenivohitra... ♦ Misedra fahasahiranana amin'ny velon-tenany ny mponina ao Tsiafanoka ao amin'ny Kaominina Tsianisiha, Distrika Toliara-II. Miantso ny mitondra hijery sy hamaha ny olana sedrainy izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...