♦ Ho eny ampelan-tanan'ny parlemantera mialohan'ny faran'ny volana ôktôbra izao ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna taona 2023. Nankatoavina nandritra ny filan-kevitry ny ministra omaly... ♦ Hahetsika hanampy ny tranom-pirintim-pirenena noho ny tsy fahafahany mamaly n filàna manontolo amin'ny taratasim-panjakàna ilaina amin'ny fitsaràna mitety vohitra hisitrahana ny kopia nahaterahana ho an'ireo tsy manana izany ny trano pirinty tsy miankina eto amintsika... ♦ Nirehitra ny tsenan'Anosibe ao Antananarivo Renivohitra. Toeram-pivarotana 100isa eo ho eo no kilan'ny afo androany maraina...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...