♦ Nitsidika sampan-draharaha lehibe miisa roa tao Vatican ny Evekan'i Madagasikara, androany. Andro faharoa hanatanterahan'izy ireo ny Visite Ad Limina any Rôma... ♦ Tontosa androany teny amin'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, ny famindram-pitantanana teo amin'Andriamatoa Randriamandranto Richard sy ny Jeneraly Rakotonirina Richard... ♦ Manaitra ny Malagasy tsy an-kanavaka, ny mpitondra fanjakana, ny mpisehatra isan-karazny amin'ny tontolo iainana, ny fikambanan'ny mpanao gazety misehatra amin'ny tontolo iainana mba handray fepetra mahomby manoloana ny figongatry ny doro ala...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...