♦ Nanomboka omaly ny Visite Ad Limina tanterahin'ireo Evekan'i Madagasikara any Roma. Ny Alakamisy izao izy ireo no horaisin'ny Papa François miaraka ao Vatican... ♦ Mampitandrina ireo mpiraki-draharaha mbola manao fitokonana ka mampikatso ny fitsaràna ny ministra mpiahy omaly. Tsy maintsy hihatra, hoy izy, ny fanapahan-karama ho an'ireo miziriziry amin'ny fitokonana... ♦ Hamadika ny 60% ny famokaràna herinaratra ho azo avy amin'ny fampiasàna angovo azo havaozina ny orinasa JIRAMA amin'ny taona 2023. Hafainganina miaraka amin'ny fanohanan'ny fanjakàna izany, hoy ny tale jeneralin'ny Jirama...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...