♦ Niteraka resa-be ilay fanapahan-kevitr'i Madagasikara nisafidy ho nanameloka an'i Rosia tamin'ny latsa-bato teo anivon'ny Firenena Mikambana. Maro ireo gazety nilaza fa tsy nakàna ny hevitry ny filoham-pirenena ny safidy natao tany... ♦ Namoaka fanambaràna ny antoko TIM momba ny fahitàny ny fizotry ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy tamin'ity volana ity. Miahiahy ilay "jugement supplétif" ny antoko satria tsy ampy ny fanamarinana, ka misy ireo hahazo kara-panondro maromaro...  ♦ Mitaraina ireo sekoly tsy miankina fa hanimba ny fanabeazana ny zaza Malagasy ny fisian'ireo "Cours" fakàna fanadinana mialohan'ny fotoana. Mahatsapa fitsoahan'ny mpianatra an-daharana izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...