♦ Misedra olana ny sekoly miahy tena eto amintsika. Maro ireo nikotona sy tsy nahafeno ny fetr'isan'ny mpianatra tamin'ity  taom-pianarana 2022-2023 ity... ♦ Hanao hetsika faobe hizara masomboly sy zezika ho an'ny tantsaha amin'ny Faritra samihafa eto Madagasikara ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. 4 Miliara Ariary no natokana hividianana izany... ♦ Tanterahana ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana ny hetsika "anjara hetrako sy ny hetra phone". Ny Faritra Atsimo-andrefana izay nahavita dingana tsara amin'ny fampidiram-bola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...