♦ Nirehitra ny toeram-ponenana any Antanambaovao any Foulpointe, Faritra Atsinanana. Trano 50 tafo teo ho eo no kilan'ny afo. Miantso ireo tompon'andraikitra sy ireo tsara sitrapo ny traboina hanampy azy ireo... ♦ Mananosarotra ny fifehezana ny afo ao amin'ny faritra arovana manokana ao Ambohitantely, Distrikan'Ankazobe, Faritra Analamanga. Mirotsaka an-tsehatra mifarimbona amin'ny famonoana ny afo ny Hery Vonjitaitran'ny Polisim-pirenena na ny FIP sy ny mpamonjy voina ao amin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...