♦ Nampikatso ny raharaha eny anivon'ny fitsarana, noho ny fitokonany androany, ireo mpiraki-draharaha manerana ny nosy. Niveri-maina ireo manan-draharaha, naverina am-ponja ireo voafonja tokony hotsaraina, ho an'ny teny amin'ny Fitsarana Anosy... ♦ Ahiana hiverina indray ny kere any atsimon'ny nosy. Ahiana ho mafy noho ny hatramin'izay ny zava-misy, efa vidiana 3000 Ar ny rano iray bidon, hoy ny Solombavam-bahoaka voafidy tany Ambovombe Androy... ♦ Olona 5 no maty, 13 naratra, vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teo anelanelan'Irondro sy Manakara androany vao maraimbe...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...