♦ Andrasana izay mety ho fandaminana eny amin'ny oniversitem-panjakana, manoloana ny fandraisana miaraka ireo mpianatra afaka bakalorea tamin'ny taon-dasa sy ireo vao afaka bakalorea tamin'ity taona ity... ♦ Tsy handray anjara amin'ny hetsika Kopia Faobe ny sendikan'ny mpiraki-draharaham-pitsarana, raha tsy voavaly ny fitakiany. Nohamafisiny tamin'ny fivoriana tsy ara-potoana izany androany... ♦ Tsy azo ekena ny fanakorontanana rehetra mahatonga ny tsy fandriam-pahalemana manerana ny nosy, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...