♦ Tsy maintsy vitaina mialoha ny faran'ny taona ny famadihana ho "Or monnétaire" ireo volamena, tratra saika nahondrana antsokosoko any ivelany, hoy ny governoran'ny banky foiben'i Madagasikara... ♦ Mbola tsy mitovy hevitra hatramin'izao ny fanjakàna sy ireo vondron'ny mpanafatra sy mpaninjara ny solika eto Madagasikara. Tsy voafaritra mazava mantsy ny vola ananan'ny fanjakàna amin'ireo vondrona mpanafatra sy mpaninjara solika ireo ary toy izany koa ny vola ananan'izy ireo amin'ny fanjakàna... ♦ Nahemotra ho amin'ny sabotsy 24 septambra ho avy izao ny fanokafana ny taom-pikatrohan'ny antoko Hery Vaovaon'i Madagasikara izay saika notanterahina ny sabotsy 3 septambra lasa teo...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...