♦ Namaly ny tsikeran'ny Vondrona Eorôpeanina nihatra taminy, ireo mpikamban'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana omaly, momba ny lalana fiatrehana ny fifidianana amin'ny taona 2023... ♦ Nandiso ny vaovao niparitaka momba ny maha tompon'antoka azy tamin'ny fanondranana volamena tratra tetsy Ivato, ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra... ♦ Miverina tsikelikely amin'ny teo aloha ny vidin'entana ilaina andavan'andro eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Tokony hisy fiantraikany eto Madagasikara ihany koa izany, hoy ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, omaly...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...