♦ Nifarana omaly ny andro eran-tany ho an'ny tanora na ny JMJ Mada andiany faha-10 notanterahana tao Antsirabe... Any amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina indray ny JMJ manaraka amin'ny taona 2026... ♦ Velom-panantenana amin'ny ho avy ny Eglizy hoy ny Eveka malagasy mahita tanora votom-pinoana, saha maneho amin'ny fomba mendrika ny maha vavolombelon'i Kristy ao anatin'ny hatanorana. Miantso ny tanora handray andraikitra amin'ny fiaraha-monina ny fivondronamben'ny Eveka... ♦ Valan'aretina Covid-19, nahitàna tranga vaovao miisa 14 ny fitiliana natao nandritra ny herinandro farany. Eto amin'ny Faritra Analamanga avokoa ny 12 amin'ireo. Tsy nisy ny lavon'ny aretina...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...