♦ Hampihatrano ny andro eran-tany ho an'ny tanora eto Madagasikara na ny JMJ Mada andiany faha-10 ny diôsezin'Antsirabe. Andalana mihazo an'Antsirabe ireo tanora avy lavitra, isan'izany ny any Mahajanga... ♦ Mpizahan-tany miisa 11 no voasoloky ny agence de voyage maherin'ny 200 tapitrisa Ariary nandritra ny fahatongavany teto Madagasikara tamin'ity volana aogositra ity... Nitondra ny raharaha eny anivon'ny fitsaràna izy ireo... ♦ Hisokatra amin'ny faritra hafa, ankohatra ireo faritra any atsimon'ny nosy, anombohana ny fametrahana kavin'omby ny tetik'asa momba izany hoy ny tale jeneralin'ny Fiompiana, Andriamahatola Lezoma Tsiry... ♦ Maherin'ny 1000 ireo olona matin'ny tondra-drano any Pakistan...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...