♦ Amin'ny volana septambra izao no tokony hiverina ny fifandresen-dahatra eo amin'ny Lafrantsa sy i Madagasikara amin'ny fitakiana ireo Nosy manodidina na ireo îles éparses... ♦ Mitohy ny fitakiansika ny hampodiana ilay volamena 73 kg tratra tao Afrika-Atsimo. Mbola misy ny fandaminana ara-politika sy ara-pitsarana... ♦ Hivoaka amin'ny volana oktobra izao ny vokatry ny fanadihadiana ataon'ny banky iraisam-pirenena, mikasika ny fiatrehan'i Madagasikara ireo loza sy ny tandindon-doza, ka ho ampahafantariny amin'ny tapaky ny volana novambra ny vola hanampiany an'i Madagasikara izany...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...