♦ Nitondra ireo toromarika tsara ho fantatra sy tokony arahan'ireo mpizaika amin'ny JMJ andiany faha-10 hatao any Antsirabe, ireo tompon'andraikitra androany... ♦ Tra-tehaky ny polisy eo anivon'ny Kaomisarian'ny Boriboritany faha-7 eny amin'ny 67 Ha, ny iray tamin'ireo dimy lahy nanendaka sy nandratra ilay mpiasan'ny haino aman-jery, izay namonjy fodiana avy niasa, ny 3 aogositra lasa teo... ♦ Manampy ny fitondram-panjakana amin'ny fametrahana sy ny fanamafisana ny fiandrianam-pirenena koa ny fitsarana miaramila. Nanomboka androany izany ho an'ny Faritra ivelan'Analamanga...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...