♦ Nifarana omaly ny fivorian'ny SCEAM na ny fikaonandohan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara, izay natao any Akra, renivohitr'i Ghana. Nisolo tena ny fivondronamben'ny Eveka Malagasy i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, arsevekan'Antsiranana... ♦ Ho fanatsarana sy fanavaozana ny rafim-pampianarana eto Madagasikara, tena hitondra fandrosoana sy hifanaraka amin'ny vaninandro ankehitriny dia hitohy anio etsy amin'ny CCI Ivato ny fikaonandoham-pirenena tanterahin'ny ministera telo tonta voakasiky ny resaka fampianarana, fanabeazana ary fampiofanana... ♦Mila vahana haingana ny olana mahatonga ny fitokonan'ny mpiasn'ny FCE, ka nitarika ny tsy fisian'ny fitanterana an-dalamby mihazo an'i Manakara...

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...